FANKALAZANA NY FETIN’NY NOELY 2018 TENY AMIN’NY LAPAN’I MAHAZOARIVO

Nankalaza ny fetin’ny noely 2018 ny mpiasan’ny Primatiora teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny andron’ny Sabotsy 22 desambra lasa teo.

Niombom-pifaliana tamin’ny rehetra teny ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta, Atoa NTSAY Louis Christian.

Araka ny fanao mahazatra amin’ny andro krismasy dia nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo ankizy zanaky ny mpiasa.

Nofaranana tamin’ny fifanolorana fanomezana ny fotoana.

Ny Foiben’ny Arisivam-Pirenena dia mitondra ny firarian-tsoa feno ho an’ny rehetra amin’izao asaramanitra izao.