Category Archives: événement

MPIASAN’NY ARISIVAM-PIRENENA TENY AMIN’NY TOBIN’ALA ANGAVOKELY NY ZOMA 16 NOVAMBRA 2018

 

 

 

 

 

 

Nitsidika ny Tobin’Ala (Centre National de Formation de Technicien Forestier) Angavokely ny mpiasan’ny Arisivam-Pirenena ny tontolo andron’ny Zoma 16 novambra 2018 lasa teo.

Tobin’Ala Angavokely
Zoma 16 novambra 2018

Lalana 36 km eo ho eo miatsinanana miala an’Antananarivo no misy ity Tobin’Ala ity izay manofana olona ho teknisianina amin’ny fikarakarana ala.

Manodidina an’Angavokely
Zoma 16 novambra 2018

Mahatratra 696 ha ny velarany. Mampiavaka azy ny vatomainty (granite) sy ny orchidées ary ireo lava-bato manan-tantara.

Lava-bato (grotte) ao Angavokely
Zoma 16 novambra 2018

1752 metatra ny haavon’Angavokely ary 1755 metatra ny haavon’Angavobe.

Eny an-tampon’Angavokely
Zoma 16 novambra 2018

Mbola misy an’Ambatomisondrotra ihany koa eny afaka tsidihina.

EVENEMENT EN COMMEMORATION DE LA PREMIERE GUERRE MONDIALE A ANKATSO LE 09 NOVEMBRE 2018

Les festivités en commémoration de la Première Guerre mondiale (1914-1918) ont débuté en 2014 et se verront closes cette année 2018.

Dans la journée du Vendredi 09 novembre 2018, un événement mettant en exergue le vécu des tirailleurs malgaches pendant la Premiètre Guerre mondiale a marqué le Campus d’Antananarivo.

Avec la collaboration du Comité du Centenaire de la Première Guerre mondiale ainsi que du Département d’Histoire à Ankatso, la Direction des Archives Nationales a organisé une exposition sur ce thème à l’Université d’Antananarivo même.

Pour tout commencer ce jour, Mme RABEARIMANANA Lucile, historienne et professeur à l’Université d’Antananarivo, a donné une conférence traitant ce même objet. Juste après, le Général ANDRIAMISA-RAMIHAONA a donné un aperçu sur la politique publique mémorielle.

L’exposition a permis aux visiteurs de recueillir plus de données sur ce grand malheur qu’a connu la planète terre.

FAMPIRANTIANA 22 – 25 JONA 2018 TENY AMIN’NY TRANOMBOKIM-PIRENENA – ANOSY

Nandray anjara tamin’ny fampirantiana notontosaina teny amin’ny Tranombokim-Pirenena teny Anosy, ny Zoma 22 hatramin’ny Alatsinainy 25 jona 2018 lasa teo, ny Foiben’ny Arisivam-Pirenena.

Tonga nanome voninahitra ny fanokafana ny fampirantiana ireo solontenam-panjakana notarihin’ny Ministry ny Kolontsaina ankehitriny.

Tanjona niraisana teto Madagasikara, tany amin’ny taona 1960 tany, ny hitondra ny firenena malagasy ho amin’ny fandrosoana amin’ny lafiny rehetra. Niara-niasa hahatrarana izany ny fitondram-panjakana, ny olon-tsotra, ny orinasa, eny fa na dia ny vahiny aza.

“Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga”. “Ny asa vita no ifampitsarana”. “Asa fa tsy kabary”. Marina ireo fitenenana rehetra ireo tamin’izany fotoana izany satria nanao rano lava sy tohy vakana ny fitsanganana fotodrafitr’asa lehibe nanerana ny Nosy. Niroborobo tao anatin’ny fotoana fohy ireo sehatr’asa efa nisy; nipoitra ho azy kosa ny mbola tsy nisy. Ireto misy santionany amin’izany:

  • orinasa maro mifamatotra amin’ny fambolena sy fiompiana,
  • orinasa misahana ny fitaterana,
  • orinasa sy toerana mitsinjo ny fahasalamam-bahoaka,
  • trano fonenam-bahoaka,
  • trano fianarana (oniversiten’Antananarivo),
  • lalana sy tetezana,
  • ….

Tetezana « Philibert Tsiranana » ao Sofia notokanana ny 30 jona 1960

Hôpitaly ao Manakara notokanana ny 23 jolay 1964

 

 

 

 

 

 

Orinasa BATA notokanana ny 21 oktobra 1971

Efa hatrany amin’ny taona 1960 no niasa teto amin’ny firenena ny zandary sy ny tafika malagasy. Antom-pisian’izy ireo voalohany indrindra ny fisahanana ny filaminana.  Miditra an-tsehatra amin’ny fampandrosoana ifotony ihany koa izy ireo amin’ny alalana tetik’asa mahakasika ny fambolena; ary manampy ny mponina amin’ny voina tampoka: manala ny hazo notapahin’ny rivo-doza, ….

Tafika manao andrana amin’ny fambolena amin’ny fomba moderina – taona 1977

Toy izany raha fintinina ny lohahevitra narantin’ny Arisivam-Pirenena nandritra ny efatra andro teny Anosy.

 

 

 

 

 

RAHARAHA TABATABA 29 MARTSA 1947, FENO 71 TAONA IZAO…

Nankalaza ny tsingerin-taonan’ny raharaha 29 martsa 1947 ny teto Madagasikara omaly Alakamisy 29 martsa 2018. Nomarihina tamin’ny hetsika efa fanao mahazatra teny Ambohijatovo, teny Mausolée, tany Moramanga io daty io ankoatr’ireo natao tamin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy.

Zava-niseho anisan’ny tena nampihoron-koditra teto amin’ny firenena ny tabataba 1947. Mbola tsy maty ao am-pon’ny Malagasy maro ny hatezerana sy alahelo naterak’izany na dia efa feno 71 taona aza izao no nitrangany.

 

ZAVA-NISEHO

Voampanga ho nanafika sy nandoro ny toby miaramila tao Moramanga ary nanaparitaka fikomiana tamin’ny frantsay izay nanjanaka ny firenena ny antoko politika MDRM sy ireo nitovy fijery taminy ny alin’ny 29 martsa 1947 ka natao haza lambo. Nandà mafy hatramin’ny farany izany fiampangana izany nefa ireto farany. Teraka nanomboka teo ny fifanandrinana mahery vaika sy mahatsiravina ka teratany malagasy tsy hita isa (lehilahy, vehivavy, ankizy, zaza) no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana isan-karazany. Nahafatesana maro ihany koa ny vazaha.

VOKA-DRATSINY

Malagasy maro no voaheloka ho faty, tsy vitsy koa ireo notanana am-ponja sy natao sesi-tany. Na lalam-by na arabe dia nahitana fahatapahana avokoa. Tanàna betsaka no may tao anantin’ny fotoana fohy monja. Nisy fahatapahana hatramin’ny fifandraisana an-tariby. Zary nanakorontana ny fiainam-piaraha-monina ny tahotra sy horohoro anaty nanjaka tao amin’ny rehetra, tsy nifampatoky intsony ny samy Malagasy.

Napetraka ny fitondrana miaramila (état de siège) tamin’ireo toerana noheverina ho faritra mena tamin’izany: Vohipeno, Manakara, Fianarantsoa, Ifanadiana, Mananjary, Nosy Varika, Mahanoro, Vatomandry, Moramanga ary Ambatondrazaka. Nalain’ny fanjakana (réquisition) ny fiarakely mpitatitra olona (taxi) niasa teto an-drenivohitra. Nofoanana ny tsena zoma teto Antananarivo mba hisakanana ny fifamezivezen’ny olona avy any ambanivohitra. Norarana ny varotra fitaovam-piadiana teto an-toerana.

Nivoaka ny 10 mey 1947 ny didim-panjakana nanafoana tanteraka ny antoko politika MDRM sy JINA ary PANAMA.

Didim-panjakana nandrava ny antoko politika malagasy MDRM, JINA, PANAMA
Gazetim-panjakana, Sabotsy 17 mey 1947, laharana 3229

 

FIARAHA-MIFALIN’NY FOIBEN’NY ARISIVAM-PIRENENA TAO AMIN’NY ESPACE NY AMORON’IRIHITRA (ARIVONIMAMO)NY ZOMA 23 MARTSA 2018

 

 

Nisinda kely nihataka ny renivohitra ny mpiasan’ny Foiben’ny Arisivam-Pirenena ny Zoma 23 martsa 2018 lasa teo.

 

 

Nandresy lahatra azy ireo tamin’izany ny Espace Ny Amoron’Irihitra any Arivonimamo.

Espace Ny Amoron’Irihitra Arivonimamo
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

 

 

 

 

 

 

 

Sady fialamboly no fifampiarahabana tratry ny taona rahateo no foto-dia satria tsy mbola nisy ny fotoana nanaovana izany teo aloha. Aleo tratra aoriana toy izao toy izay tsy misy mihitsy e!

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Ny Talen’ny Arisivam-Pirenena miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy
Espace Ny Amoron’Irihitra, Zoma 23 martsa 2018

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Espace Ny Amoron’Irihitra
Zoma 23 martsa 2018

Afa-po ny rehetra. Faly sy mavitrika fa nahazo hery vaovao hiatrehana indray ny asa maro miandry ao am-piasana.