MISSION DES ARCHIVES NATIONALES

Ny Arisivam-Pirenena dia rantsana iray eo amin’ny firenena mitahiry ny arisiva rehetra izay mandrafitra ny tantaram-pirenena. Efa voarafitra sy voalamina ireo arisiva ireo mba ho azon’ny rehetra kirakiraina sy ampiasaina araka izay mahamety azy. Ny Arisivam-Pirenena ihany koa dia manome fahafahana ny olona hampitombo fahalalana amin’ny alalan’ireo karazana boky, gazety, gazetim-panjakana, raki-tsary sy sarintany samihafa. Misy efitrano efa voatokana hanaovana fikarohana ao amin’ny Arisivam-Pirenena izay misokatra mandritry ny andro fiasana manomboka amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 03:45 hariva. Ankoatr’izany dia mikarakara fampianarana sy fiofanana araka ny fangatahana voarainy ny Foiben’ny Arisivam-Pirenena. Natao izany mba ho fiaraha-miasa amin’ireo mpikirakira arisiva rehetra. Mandray anao an-tanan-droa ny Arisivam-Pirenena raha mahaliana anao izany.  Hitanao ao amin’ny pejin’ny fifandraisana ny fomba hahafahanao mifandray aminay.

La Direction des Archives Nationales collecte, gère, conserve et exploite les archives historiques et administratives, les archives publiques et protégées, faisant de la nation une nation. Ces archives ont subi un traitement avant d’être accessibles au public. Les visiteurs peuvent se cultiver au moyen des  différents ouvrages, journaux, journaux officiels, périodiques, cartes, albums…aux Archives Nationales. Une salle de lecture, ouverte du lundi au vendredi de 08h à 15h45, est à la disposition des chercheurs. La Direction des Archives Nationales répond aux demandes de formation et organise des stages portant sur la théorie archivistique et les différentes techniques et actions mises en œuvre dans les services d’archives. Vous pouvez nous joindre à l’adresse inscrite sur la page contact.

The National Archives is the nation’s records repository which offers ready and free access to records, making the nation a nation, which have been declassified for this cause. Different books, newspapers, official journals, periodicals, maps, photographic records…are available at the National Archives allowing the public to be filled with culture. The research room is open Monday through Friday from 8 a.m to 03.45 p.m. Training and workshops are programmed to provide basic knowledge about caring for archival materials and making them available, to provide archival principles and techniques, to provide basic understanding of archival work.

Talen’ny Arisivam-Pirenena/The Head of the National Archives

                                                                       Sahondra ANDRIAMIHAMINA